4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nivaquine - Lolo sy ny Tariny

Io an’izy avy etsy mivadika avy aroa

Toa mijery fitaratra

Ny fanontaniany mihodina ao an-doha

Fanontaniana sarotra :

Fa nahoana kosa izy re ! Izy re !

No mahatsiaro ho ratsy tarehy

Moa ve i Jehovah no miangatra

Nahatonga azy toy izao

Novakiany ilay fitaratra

Fa manome azy sary mankalao ,kalalao,mankalao

oooooooooooooo!

Sao de mba ny rainy fony nanamboatra

Noentin-toaka na mamo

Sa ny reniny no tsy nazoto loatra

Tsy nisento na kamo

De namboarin’izy ’ray sy valo

’Zao ’reo bandy kely tsy mijery fa mandalo

De mitoka-monina ;rehefa sendra mba mandeha mandihy

Fa tsy misy olona ,mba mazoto hanatitr’azy

rehefa mody ;miantso tody

Nataony tamin’ny fo fa tsy mba vazivazy

Ny namboatra volo ,nanao pilakazy

Napetany tokoa ’reny lokoman’ireny

Nefa toa mandaing’ilay fitaratra jereny



        Io an’izy avy atsy mivadik’avy aroa

        Mangetaheta fitiavana

        Mba maniry mafy ny hiara-droa

        Na mba hifampitantana

        Henik’azy indray ny arabe

        Sy ireo toerana hoe be mpandeha

        Soa re nony ela dia nisintaka

        ’Lay tandrifin-drahona efa teo

        Fa angamba tsy hamitaka

        Ity olona iray ,fa jereo

         oooooooooo!

’Zao vô tsapany mangarangarana

Ny fiainany maloka

Tsapany ny tsirom-pahasambarana

Ireny izy mampiaraka

De nandramany ny kilalao,

Sy ilay zavatr’hafa tsy fatao,hatrizao

Kanjo ny fitiavana ,lasa nangatsiaka nony lena

De tsy tan’ilay rangahy

Iz’irery sisa miantso,miverena

        Nalefany tokoa ireny taratasy

        Sy odifitia,na fanafody gasy

        ’Zao ny hambom-pony ,kotsan’ny tomany

        Kanef’ilay rangahy tsy te hahalal’izany

Io an’izy avy atsy mivadik’avy aroa

Roa volana katroka

Mila ho lasa adala mivadik’atidoha

Miongo-bolo mikaroka

Hanasitrana ny kibony

Tô mizihatra tsy fidiny,

Vidin’ny adalana izay natao

Indray alakamisy hariv’izay

F’efa jamba nilalao

Diso ny fanisa ny andro :

Nihoatra iray (3)

ooooooooooo!

        Ny zavatra tonga isam-bolana

        Manjary toa mandainga fotoana

        ’Zao izy ratsiana te hinam-boasary

        Voasary makirana

        Marikivy indray no haniny

        Mahakivy azy ny fiainany

        Tô manenjika ny nenina

        Raha vô mijery ny mason’i Neny

        F’efa tsy hay hafenina

        ’Lay aretina rehefa kelikely

Nandramany tokoa re

Ny ravin-javoka,somary tenehina ,

Natao ny ala-nenina

Dimy no indray mihinana irony nivakinina

Kanefa hatramizao tô tsy haninona tsy haninona                  


Partager nivaquine

Commenter nivaquine

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite